Sortie de la 7ème promotion

Andiany « Misandratra »

Mpianatra telopolo vao vita fiofanana no efa miasa !

La cérémonie de sortie de la 7ème promotion de l’Essva s’est tenue le 28 novembre 2008 à Antsirabe. La promotion comprend 103 techniciens supérieurs spécialisés en Communication et Journalisme, Gestion-Management, Electromécanique et Sciences et techniques de l’éducation. 30 étudiants ont trouvé du travail bien avant de finir leurs études. C’est dire sur la qualité de la formation dispensée à l’Essva.

Les sortants de la filière Communication et journalisme recevant leurs diplômes.

Nohon’ny kalitaon’ny fiofanana azon’ireo tanora niofana ato amin’ny Essva dia tsy very mandeha izy ireo. Ho an’ny andiany fahafito, “Misandratra”, ohatra, dia telopolo eo ireo nahavita fianarana no efa miasa sahady. Anisan’izany Ravelonahina Hilda Hasinjo, mpanao gazety ao amin’ny “L’Hebdo de Madagascar”, sy Andriamifidy Kelly Gabriella, Directeur exécutive ao amin’ny Office régionale du tourisme du Vakinankaratra.
103 no isan’ireo mpianatra vita fiofanana an’ity andiany “Misandratra” ity. Tamin’ny 28 novambra teo no notanterahina tao amin’ny Essva Antsirabe ny lanonana famoahana azy ireo. 29 amin’izy ireo dia avy amin’ny sampana Fitantanana (Gestion & Management), 26 avy amin’ny sampana Serasera (Communication & Journalisme), 12 nanaraka fiofanana momba ny Teknikam-pampianarana (Sciences et techniques de l’Education), 12 avy ao amin’ny Fizahan-tany (Ecotourisme) ary 17 avy ao amin’ny Electromécanique izay sambany izao no namoaka mpiofana.
Loka ho an’ny mendrika
“Misandratra” no anarana nosafidian’ity andiany ity ho salorana. Izany dia midika fa mikatsaka hatrany ny avo indrindra izy ireo ary mifandraika indrindra amin’ny filamatra “Foi et Excellence” entin’ny sekoly izany. Yvan Andrianasandratriniony, filohan’ny Antenimieran-doholona, no ray mpiahy azy io saingy tsy afaka nanatrika ny lanonana izy ka nosoloin’ny talen’ny kabinetrany tena.
Nandritra ny lanonana dia nozaraina fanomezana ireo mpiofana mendrika isan-tsampana. Andriamifidy Kelly Gabriella, nisolo tena rahateo ny andiany “Misandratra”, avy ao amin’ny Ecotourisme, Ravelonahina Hilda Hasinjo (Communication), Vonimboahary Radosoa Sitrakiniaina (Electromécanique), David Tsiriniaina Randriamamitina (Sciences et techniques de l’éducation), Ravakarimanana Andrianambinintsoa (Gestion-Management).
Hatramin’ny 2000 nanombohan’ny fampianarana teto amin’ny Essva ka hatramin’izao dia 501 ireo tanora vita fiofanana. Raha ampiatahaina dia tsy mitsaha-mitombo ireo tanora vita fiofanana satria raha 60 izy ireo tamin’ny roa taona (andianyn fahadimy, “Sahisedra”) dia 72 kosa tamin’ny taon-dasa (andiany fahaenina, “Miatrika”).
Maharitra telo taona ny fiofanan izay ahazoana ny mari-pahaizana “Diplôme de technician supérieur specialise” (DTSS), miralenta amin’ny licence.
R. Harisoa S., Oni & Rija.

6 réponses jusqu'à présent »

  1. 1

    simp a dit,

    misy version 2 nga ity blaogy ity ra izany? :)

    mirary soa ny vao nahazo diplaoma zany e.
    mifanatera @ tanindrazana ;-)

    • 2

      essvacomm a dit,

      Tsy misy version roa ilay blaogy fa post mitovy fotsiny ny ato sy ao @ rijahkanota.wordpress.com satria olona iray no nanoratra azy.

  2. 3

    [...] latest activities even if they’ve been a little busy celebrating the graduation of their 7th promotion in Antsirabe !! La cérémonie de sortie de la 7ème promotion de l’Essva s’est tenue le 28 novembre 2008 [...]

  3. 4

    [...] activities even if they’ve been a little busy celebrating the graduation of their 7th graduation in Antsirabe !! Last week, we made a list of reportages to make and we’ll see the results very soon. [...]

  4. 5

    pita a dit,

    azo fantarina ve ny site web an’ny ESSVA ? na ny contact raha mila information ?


Commentaires RSS · URI de Trackback

Dites quelques mots